Tokony hahay haka lesona tamin’ny zava-nisy ny mpanao politika Malagasy, hoy i Rakotomalala Tokindray sy Andrianjakamanana Haja mpanao politika tanora vonona hirotsaka hanarina ity sehatra ity ho any amin’ny tsaratsara kokoa. Ny zava-nisy mantsy, hoy izy ireo, dia tsoahin’ny mpitondra fanjakana eto amintsika foana
, tahaka izay nahazo ny ministra Fienena Richard farany teo, izy ministra tsy mitovy fomba fijery na fomba fiasa aminy. Atahorana hamoaka ny marina mantsy rehefa sahy mamotsipotsitra ny zava-misy sy miditra lalina amin’ny izay heverina fa fanatsarana na fanitsian-drafitra amin’ny zavatra sahanina, tahaka ny hoe : hanao “audit” amin’ity resaka Jirama ity ny lehilahy. Sao dia mba ny maha Vpm/Mmm azy tsy azo nozongozonina tsy hivadika ho Hvm kosa, ohatra, no tena anton’ny fanesorana , hoy ireto mpanao politika tanora ireto. Noho izany dia sahinay ny milaza fa tena antony ara-politika fa tsy ara-teknika izany ity fanesorana minisitra tokana ao amin’ny governemanta ity, fa raha ny lalana nodiaviny dia efa mba ministra nahavita zavatra tamin’ny tetezamita ihany izy io. Raha ny amin’ny resaka fitsipaham-pitokisana nalaza tato ato kosa indray, dia nanambara Atoa isany Rakotomalala Tokindray sy Andrianjakamanana Haja, fa na dia tsy mbola tena manana traikefa tahaka an’ireo mpanao politika tranainy ireo aza izy ireo dia afaka milaza kosa mahamenatra ny zava-misy. Tena tsapa, hoy izy ireo, fa resaka politika no tsy handehanan’ity Madagasikara ity. Tena nandeha ny fanakaramana , ny fampitahorana teny anivon’ny Antenimiera teny raha tsy hiresaka afa-sy ireo depiote vao lany farany teo fotsiny isika izay hita mazava fa tena noterena an-kolaka fotsiny izao mato tafiditra sahady tamin’ireny anarana 101 ireny. Ny fivadibadihana hoe hanohana , tsy hanohana sns… dia tena politika maloto miavaka eto amintsika ka izany no mahatonga anay mpanao politika tanora tapa-kevitra fa hijoro hanova ity fanaovana politika eto Magagasikara ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.