Ny 50%-n’ny vahoaka malagasy dia tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona. Maro an`isa ny tanora, ivondronan`ny hery, saingy tanora tsy mahatsapa fa tompon’andraikitra eo anivon’ny firenena sy ny fiarahamonina ny ankamaroany.
Taom-pifidianana tokoa ity taona 2018 ity, izay sarobidy eo amin’ny fiainam-pirenena, satria ny vokatry ny safidy dia andry iankinan’ny fiainan’ny vahoaka malagasy manontolo mandritra ny dimy taona ho avy. Indrisy fa ny tanora malagasy dia tsy tonga saina amin`io kihon-dalana lehibe ho an`ny firenena io. Vitsy an'isa ny tanora nanamarina ny anarany tao anaty lisi-pifidianana ny 01 ka hatramin’ny 31 janoary 2018 lasa teo na teo aza ny fanentanana maro samihafa. Miharihary anefa fa ny tsy fahatongavan-tsaina noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana no tena antony mahatonga izany, hoy ny mpahay fiarahamonina iray. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fanabeazana tanora ho olom-pirenena amin'ny sehatra rehetra ahitana tanora eto Madagasikara. Azo atao, hoy izy, amin`ny endrika samihafa ny fampitana ny fahalalana. Hamafisina fa maha olom-pirenena vanona ny fanaovana ho zava-dehibe ny fandraisana andraikitra momba ny fifidianana. Ampahafantarina ny tanora ny andraikiny mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Zava-dehibe ihany koa ny fisitrahan’ny tanora fahalalana momba ny tokony hatao manoloana ny mety hisian’ireo karazana fanolanana ny safidim-bahoaka mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa raha tsy mifidy ny olona iray dia hizaka ny vokatry ny safidin’ny hafa eo amin’ny fiainany, izay azo antoka fa tsy hifanaraka amin’izay eritreretiny. Ny fiatrehan`ny tanora fifidianana dia andraikitry ny rehetra mba entina hitaizana sy hikolokoloana ary hampandray anjara ny fampivelarana ny tanora eo amin’ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.