Tsy sahy miditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ny ampahany betsaka amin’ny tanora Malagasy
. 2% amin’izy ireo monja mantsy no manana finiavana handraharaha, araka ny tarehimarika naroson’ny «Club Entrepreneur Etudiant». Antony maro no manazava io trangan-javatra io. Mitana ny laharana voalohany amin’izany ny tsy fananan-kevitra izay mifanindran-dàlana amin’ny tsy fananana vina. Ireo fisehoan-javatra roa mitambatra ireo no mahatonga ny tsy fahavononan’ny tanora hiatrika ny tontolon’ny asa noeritreretin’izy ireo hatao. Sakana hafa goavana ihany koa ny tsy fananana tambajotra sy ny tsy fahalalan’ny zatovo Malagasy ireo dingana tokony hizorana mankany amin’ny fananganana orinasa madinika sy salantsalany. Tsy dia olana loatra ny resaka famatsiam-bola, raha ny hevitr’ity fikambanana mikarakara ny hetsika «Global entrepreneurship» andiany faha-3 hotanterahana ny 19 sy 20 novambra 2014 izao. Vonona ny hanoro hevitra sy ny lalana rehetra tokony ho fantatr’ireo tanora liana amin’ity sehatra ity mandritra ireo fotoana ireo moa ny fikambanana CEE.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.