Actualités

Tanora eto Madagasikara Marefo amin’ny sehatra ara-toekarena


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Omaly talata 9 oktobra no nampahafantarina tetsy amin’ny foibeny Nanisana ny mombamomba ny fikambanana Youg Men’s Christian Association (YMCA). 5000 ny mpikambana ao, 119 ny firenena manerana an’izao tontolo izao no misy azy ary 24 ny firenena afrikanina ahitana azy.

Tany Genève no niaingan’ny fikambanana ary Anglisy no namorona azy ka hiasa sy hanana vina maro ho an’ny tanora no antom-pisiany. Manana lalan-tsaina anankiroa izy ireo hanatanterahana izany dia ny hananana tanora hatanjaka ara-toekarena (empowerment economique) satria tena marefo loatra ny tanora amin’io sehatra io. Manaraka izany dia tanjona ihany koa  ny fahatomombanan’ny tanora ho vanona (empowerment civic). Ho fanatanterahana azy dia misy ny fandaharan’asa maro tahaka ny sehatra dihy, kolontsaina, fanatanjahantena, ny fitazomana ny maha-kristianina ary ny tanjona hahatonga ny tanora ho tompon’andraikitra sy hivoatra ara-tsaina amin’ny lafiny maro. Ankoatr’ireo dia ny ezakahataon’ny fikambanana ny hanampiana ny tanora hanana fahaleovantena ara-toekarena sy ho tonga olom-banona amin’ny alalan’ny fanamorana ny fitadiavan’asan’izy ireo noho ny fanofanana homena sy ny teknika hahazoana famatsiam-bola hatoro ny mpiofana. Ny amin’ny sehatra fandraharahana indray dia hisy ny fanampiana amin’ny fahaiza-mitantana, ny fahatokisan-tena, ny fananganana tetikasa sy drafitrasam-pihariana (business plan) ary ny famoronana orinasa mihitsy. Hisy ny mpampiofana matihanina amin’izany izay tanora mpandraharaha avy any ivelany hitondra ny traikefany hoenti-manarina ny firenena Malagasy, indrindra ny ara-toekarena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT