Actualités

Tanjombato Tsy nisy mpaka ilay lehilahy maty hitan’ny fokonolona


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Nahitana fatin-dehilahy iray manodidina ny 40 taona mahery teny amin’ny ranon’i Tanjombato omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora.

 Olona teny amin’ny manodidina ihany no nahita ny razana izay samy naminavina  ny mety ho namonoana ity lehilahy  ity dia natsipy tany anaty rano. Tsy nisy nahalalana azy intsony ny endriny iray manontolo raha efa raparapa ihany koa ny vatany. Efa nilon-drano andro vitsivitsy rahateo raha ny fahitana ny razana satria dia nibontsina tanteraka. Natahotra sy ontsa izay rehetra nahita ka tsy nisy sahy nanatona. Manao akanjo jogging marron, tsy mipataloha,  manao atin'akanjo mainty, lobaka manga ity lehilahy ity ary misy sac banane mifatotra eo amin'ny kibony. Niezaka nampiakatra ny razana teo amoron-drano ny tompon’andraikitra. Efa nisy ny antso natao tamin’ny manodidina saingy tsy nisy havany nipoitra hatramin’ny omaly hariva. Tsy nisy taratasy nahalalana azy rahateo tany amin’ny maty.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT