Miisa 10 ny asa atao eny amin’ny tanimbary farafahakeliny dia ny miasa taninketsa, mamafy ketsa, miavo-ketsa, miasa tanimbary, mihosy, manetsa, miava vary, mijinja,
mitaona ary mively vary raha te hanana vokatra tsara amin’ny tanimbary. Ny 1 Ha dia manodidina ny 80 ketsa. Milaza moa ny fitondram-panjakana fa tanimbary 1 000 ha no hototofana noho ny tetikasa Tanà-Masondro. Midika izany fa misy asa miisa 80 000. Manodidina ny 5000 ariary isan’andro ny karaman’ny mpanetsa iray. Araka izany, raha ny kajy tsotsotra dia manome asa manodidina ny 640 000 ao anaty taona iray iny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina iny. Amin’ny tanimary fotsiny ireo asa voatanisa teo. Tsy hiresaka ny zezika sy ny ny fitaovam-pikokojana madinika izay vitan’ny tompon-tany. Nilaza anefa ny fanjakana fa hamorona asa ho an’ny vahoaka. Aiza ireo olona 80 000 isa ireo ? Mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ny ankamaroan’ny mponina eto Madagasikara, manakaiky ny 80% amin’ny mponina maherin’ny 25 tapitrisa. Ny tany anefa no fitaovana fototra iaingan’ny asa atao rehetra ary iveloman’ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana. Momba ny vokatra miakatra isaky ny tompon-tany dia 5 taonina/ Ha ny vary miakatra eo Ambohidrapeto sy Ambohitrimanjaka. Fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny famoronana asa. Eo ihany koa ny fahaleovantena ara-tsakafo. Ny tanjona moa dia afaka mivelona finaritra amin’ny asany ny olona, afaka mipetraka amin’ny trano fonenana sahaza, afaka misakafo ara-pahasalamana, afaka mitsabo marary, afaka mampiana-janaka sy manita-pahaizana amam-pahalalana. Adidy aman’andraikitry ny fitondram-panjakana no mametraka politika mifandraika amin’izany, amin’ny fitodihana hatrany amin’ny tombontsoan’ny mponina sy ny fijerena ny laharam-pahamehana sahaza isam-paritra. Tantara mitohy moa ny amin’ny Tanà-Masoandro satria tsy ny fanorenana tanàna vaovao no toherin’ny mponina fa ny toerana hanaovana tetikasa izay manohintohina ny efa fiveloman’ny mponina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.