Actualités

Tandroka aron’ny vozona Voailikilika ireo zokiolona mpisotro ronono


  • Sabotsy 24 Desambra 2016

Nisy ny fanitsiana tabilao mari-karama na «alignement du grille indiciaire» ho an’ny fianakaviamben’ny tandroka aron’ny vozona ny taona 2005.

Tsy nisitraka ny fampiharana ny didim-panjakana anefa hatramin’izao ny fikambanan’ireo miaramila mpisotro ronono. Voalaza kosa taorian’izay ny fanafoanana io didim-panjakana fanitsiana ny tontolon’ny tambin-katsembohana io. Nivoaka indray anefa ny taona 2011 ny didy ahafahan’ireo mpitandro ny filaminana tranainy ireo misitraka ny tombontsoa saingy tsy nipoitra hatreto ny didy fampiharana ka nahatonga ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Horace nitondra ny fitarainan’ireto zokiolona nahavita be teto amin’ny firenena ireto teo anatrehan’ny minisitry ny Fitantanana sy ny Tetibola nandritra ny fifanatrehana mivantana teo amin’ny parlemanta sy ny governemanta farany teo teny Tsimbazaza. Mahatratra an’aliny ireo zokiolona efa retirety mpikambana an’aliny eo anivon’ny foloalindahy Malagasy voakasik’ity tranga fanilikilihana ity.

Ramano F. 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT