Actualités

Tandindomin-doza ny ho avy


  • Zoma 25 Martsa 2016

Mampihoron-koditra ny tarehimarika navoakan’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena farany, indrindra fa ny mpitantana eto amin’ny firenena.


 Voalaza fa efa nanao firaisana ara-nofo ny 31%-n’ny tovovavy sy ny 22,3%-n’ny tovolahy latsaky ny 15 taona eto Madagasikara. Mahatonga mpianatra maro handao ny fianarana ny fitondrana vohoka aloha loatra. Fantatra ihany koa fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 52,7%-n’ny tanora eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 19 taona efa manan-janaka. Tena zava-doza ity resaka ity satria sady efa tsy ampy fahalalana sy fahaizana izany ny tanora Malagasy no efa miatrika fiainana hitaiza zanaka sahady. Ny tenany aza mety tsy ho velony ka ahoana moa no hanomanany hoavy mamiratra ho an’ny zanany ? Ambonin’izay, inona no azo antenaina aminy ho an’ny firenena atsy aoriana kanefa hoe ireo tanora ireo no hoavin’ny firenena, ho lasa mpanao politika, mpitantana sy mpitondra afaka 15 taona ? Mila fandinihana lalina ary mitaky vahaolana mahomby ity resaka ity fa tsy vitan’ny kabary sy resaka ambony latabatra. Efa tena ny hoavin’ny firenena mihitsy no tandindomin-doza, sady tsy mahafantatra intsony ny maha Malagasy azy izany ny tanora eto no tsy maharaka ihany koa ny fivoaran’izao tontolo izao. Dia ho gaga ve isika raha ny vahiny no manjaka eto ? Raha tsy mifoha amin’ny torimasony sy miezaka ary mahay mifanampy ny Malagasy dia ho tavela eto ary hataon’ny olona tohatra fiakarana fotsiny.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT