Omaly tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro dia vaky ny fefiloha manamorona ny reniranon’i Sisaony,
Andrefan’Ambohimandroso, 500m miala ny lalam-pirenena voalohany (RN1) hiditra ny kaominina Fenoarivo. Samy tonga teny ireo Ben’ny tanàna manodidina sy ny zandary avy eo Fenoarivo sy Ampitatafika nizaha ny zava-misy ary nandray ny fepetra ho fisorohana ny loza mety hiseho. Nanomboka omaly alakamisy 9 martsa antoandro dia nanao ny fandaminana sy ny fanentanana ny olona mba tsy hampiasa intsony ny fefiloha ho lalana hivezivezena ny zandarimariam-pirenena eny Fenoarivo noho ny fahavakisan’ny reniranon’i Sisaony, izay atahorana hitera-doza ho an’ireo mponina. Raha ny zava-nisy dia ny maraina tamin’ny 6 ora dia efa hita fa tena niakatra be ny haavon’ny renirano ary efa maro ireo tra-boina niala ny trano fonenany. Ny antoandro dia vaky ilay fefiloha. Efa nahitana fahavakisana ny reniranon’i Sisaony teny Ambohijoky, ka toerana maro no dibo-drano, ary an’arivony ny traboina toy ny teny Anosizato. Nahitana fiakarana 0,48 metatra ny reniranon'Ikopa teny Anosizato tao anatin'ny 4 ora ka efa tafakatra 3,60 metatra omaly hariva raha 2,86 metatra ny marain. 3,50 metatra ny refy hamaritana ny loza mitatao eny amin'ny reniranon'Ikopa eny Anosizato, izay izay efa nihoarana ihany koa. Efa loza mihatra no misy eny an-toerana.
Efa maro ny mponina teny no niala vokatry ny fanentanana. Mbola misy ihany ny misisika ny hiverina haka ny entany. Hentitra anefa ny zandary hiarovana ny ain’izy ireo. Nanohy ny fanentanana ny olona mba tsy hanakaiky ilay fefiloha vaky ary nanentana ireo olona izay mbola tavela mba hiala ny trano dibo-drano ny zandary izay hijanona eny an-toerana mandra-piovan’ny toe-draharaha ho fiarovana ny ain’ireo mponina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.