Anisan’ny olana mbola sedrain’ireo kaominina ambanivohitra maro eto amintsika isaky ny fotoam-pifidianana tahaka izao ny tsy fisian’ny herinaratra manazava ny tanàna. Voakasik’izany manokana ny kaominina Mahereza, distrikan’Ambohidratrimo.
Na dia efa nanome fitaovana hiatrehana ny fifidianana aza mantsy ny Ceni dia fantatra fa tsy dia mazava tsara kosa ireo karazana “torche” nomeny CENI ampiasaina amin’ny alina hijerena vokatra hany ka tsy maintsy nanampy fitaovana hafa ireo lehiben’ny biraom-pifidianana sasany. Ho an’ity kaominina ity manokana anefa dia tena navitrika ireo mpifidy tonga tao nandatsa-bato. Vao tamin’ny 09 ora maraina mantsy dia efa ny 20 %-n’ireo mpifidy no tonga nandray anjara tamin’izany, ho an’ny Fokontany Ambohitrinlahy. Anisan’ireny ny Ben’ny tanana Johnny Rakotoarisoa no sady kandida solombavambahoaka nilatsaka hofidiana farany teo. Nahatratra 578 moa ireo mpifidy voasoratra anarana tao amin’ity biraom-pifidianana iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.