Actualités

Tanambao verrerie Trano 196 may kila, olona 1.200 traboina


  • Talata 20 Janoary 2015

Tokony ho tamin’ny 3ora sy fahefany ny alahady tolakandro teo, nitrangana hain-trano goavana tao Tanambao Verrerie “ambodi-pont”. Trano 196 no may kila vokatry ny afo goavana izay niitatra noho ireo trano vita amin’ny ravim-pontsy sy falafa ary “volo” (bararata), ka olona 1.200 no traboina, biby fiompy 4 koa may kila ary olona 2 may teo amin’ny

tongony. Raha ny fanazavana dia resaka herinaratra tao an-tranon’olona variana nivarotra no niatombohan’ny afo dia niparitaka noho ny fahamafisan’ny rivotra. Vokatry ny hamaroan’ny traboina dia tsy niandry ela ny fanampiana avy amin’ny Birao momba ny fanampiana ireo traboina ny loza voajanahary (BNGRC). Tonga nanatitra izany ny minisitry ny atitany, ny varotra, ny rano, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena. Fanitso 400, savony 50 baoritra, vary 200 gony, voamaina 100 lasaka, vilany 200 isa, sotro sy lovia 1.000 isa avy, kahie 200 fonosana sy fanoratana 50 boaty, fantsika 10 boaty, menaka 200 litatra ary siny fantsakana 200 isa, no natolotra tamin’izany. Nanolotra vary 10 gony koa ny antoko HVM Toamasina.. Ankoatra izay dia misy resaka “biby olona” hoe tazan’ny olona tamin’ity toerana ity nitrangana hain-trano ity. Ho hita eo ny tena marina satria mandeha ny fanadihadiana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT