Narodana ny marainan’ny alahady teo ny tambohon’ny tsena Pochard etsy Soarano. Nanalana 60 sm ahafahana manamboatra lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra.
Samy manana ny heviny ny amin’ny nandravana ny tambohony ireo mpivarotra ao amin’ity tsena ity. Tsy mampaninona ireo nahazo toerana any afovoany izany satria “tsy izahay rehetra no voakasika”, hoy ny sasany. Mitaraina sahady noho ny fihenan’ny toeram-pivarotany kosa ireo mpivarotra kofehy sy kojakoja nanakaiky ny tamboho noravana. Hevitra iraisan’izy ireo kosa ny hoe : ny fanalana azy ireo tanteraka tsy hivarotra eo amin’io toerana io no tena tsy ekeny. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny fanitarana ity lalana etsy Soarano ity. Haharitra 70 andro ny asa, raha efa roa volana latsaka izao no lasa. Mamovoka tsy hifankahitana eny Soarano taorian’io fandravana tamboho io. Ny andro rahateo mandrivotra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.