Actualités

Tambin-karaman`ny HCJ “Diso kajy ny fiarahamonim-pirenena”, hoy ny filohany


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Nandiso ny fanambarana nataon`ireo fiarahamonim-pirenena nokianin`ny fiarahamonim-pirenena ny momba ny tetibola sy tambin-karama ho an`ny Fitsarana ambony (HCJ) Rajaona Andriamanankandrina , izay filoha voalohany eo anivon`ny Fitsarana an-tampony sady filohan`ny HCJ.

 

 Araka ny nambarany dia ny fampitaovana amin`ity andrim-panjakana vao nijoro ity no tena mahabetsaka ny tetibolan`izy ireo. Miainga amin`ny kajy tsy marina ny fiarahamonim-pirenena satria mihevitra izy ireo fa 11 no isan`ny mpikambana kanefa miisa 44 izany. Nahitsy izy nilaza fa fitsarana vao noforonina io sady tsy miankina amin`ny fitsarana tampony. Midika izany fa mamorona ny fitaovana rehetra ny HCJ ka izany no mahatonga io salan`isa lazaina fa mihoapampana. Tamin` ny fiandohan`ny herinandro lasa teo no nanao fanambarana niaraka ireo fiarahamonim-pirenena misehatra amin`ny ady amin`ny kolikoly ary milaza fa tsy mifanaraka amin`ny fanambarana nataon`ny mpitondra ny tetibola natokana amin`izany, antony nitondrany  ny fanazavana toy izao.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT