Nandalo an-tanindrazana ary nandray anjara tamin’ny Rallye de Boeny andiany fah-11 sady dingana fah-4 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao tany Mahajanga ny 27-29 aogositra ny ekipazy Olivier-Haingo manamory Subaru. Fifaninanana nokarakarain’ny TMF Rally
. Nalain’izy ireo teo am-pelatanan-dry Boom-Berthin mitondra Mitsu Evo-X ny anaramboninahitra rehefa nanao fahadisoana sarotra navotana ireto farany. 1.32.17 no fotoana nahavitan’i Olivier ireo sedra 8 nirefy 122km. Lah-2 ry Boom ary lah-3 i Ndrianja sy Fanja. Ekipazy 16/18 no nahatojo ny fifaninanana.
Rallye D-Max : Nalain-dry Mathieu indray ny lohany
Norombahan’i Mathieu sy Tsiresy namily Mitsu Evo-IX indray ny dingana nasionaly fah-5, ny Rallye D-Max iray andro nokarakarain’ny WIMS, AMA ary FSAM ny 19 septambra. 1.00.07 no nahavitany ireo sedra manokana 6 nirefy 74km. Lah-2 i Boom-Berthin ary lah-3 i Rivo sy Ando nanamory Subaru. Ekipazy 23/36 nahatody hatramin’ny farany.
15e Rallye Tour de Tana : Norombahan’i Boom-Berthin indray
Nifandimbiasana hatrany ! Lasan’ny ekipazy Boom-Berthin indray ny Tour de Tana andiany fah-15 sady dingana fah-6 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny ASA Tana. 1.01.03 no fotoana nahavitany ireo sedra manokana 5 natao tanaty iray andro nirefy 74km. Lah-2 ry Mathieu sy Tsiresy ary lah-3 i Rivo sy Aina nitondra Subaru. Fiara 23 tamin’ny 34 nifaninana no nahavita hatramin’ny farany ny fifaninanana.
Sambany tompondakan’i Madagasikara i Boom-Berthin
36e RIM : Lasan-dry Boom fanindroany nisesy
Izay vao nazava fa norombahan’i Boom-Berthin mitondra Mitsubishi Evo-X Shell Helix ny anaramboninahitra tompondakan’i Madagasikara. Lasan’ity ekipazy ity fanindroany nisesy mantsy nisesy ny RIM izay niditra tamin’ny andiany 36 sady dingana fah-7 faran’ny fifaninanana nasionaly no dingana fah-7 faran’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika. 2.39.45 no fotoana nahavitan’izy ireo ny sedra manokana 9 nirefy 196km. Lah-2 ankapobeny fa lah-1 amin’ny M12 i Tiana sy tsiory nitondra Subaru. Lah-3 ankapobeny ary lah-1 amin’ny ekipazy lahy sy vavy miaraka i Boana sy Mialy nanamory Subaru. Mafy sy lavitrezaka be ireo sedra manokana voalahatra ka fiara 10 tamin’ny 39 ihany no tody hatramin’ny farany. Niala an-daharana tamin’ny sedra farany ry Mathieu na mbola nitarika aza tamin’io. Nijanona tamin’ny andro fah-2 ry Olivier nitondra Subaru noho ny fahavakisan’ny kodiarana.
Taona 2016 : Hanamory Mitsu Evo-X koa ry Mathieu
Hiova fiara ary hanamory Mitsubihi Evo-X koa ry Mathieu sy Tsiresy amin’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Efa tamin’ny taona 2014 no tokony nampiasa fiara P208 ity tompondaka lefitr’i Madagasikara ity fa tsy neken’ny fitsipka mifehy ny fifaninanana eto amintsika io fiara io. Ilay orinasa poloney Dykto no nanomana sy nividianana io fiara vaovao io ary efa nandramana ny faran’ny novambra teo. Hafana, araka izany, ity taom-pilalaovana 2016 ity. I Boom moa dia hiaraka amin’i Loom fa hijanona i Berthin izay mety hanao fiadiana ny tompondakan’i Afrika ihany anefa mety ny tantana miaraka amin’ireo mpanohana.
Ho avy masiaka amin’ny Mitsubishi Evo-X i Zaza maditra
La Reunion : Voahosotra ho tompondaka fanindroany i Mamisoa
Nandrombaka fan-2 ny anaramboninahitra tompondakan’i la Reunion Rajoel Mamisoa sy Razafintsalama Muriel mitondra Honda Civic, F2000-14. Marihina fa efa tompondaka ity ekipazy mpivady ity ny taona 2013. Tafiditra lah-3 izy ireo tamin’ny dingana fah-7 farany, ny Rallye Bourbon natao ny 5-6 desambra. Tsy voalohany mihitsy akory ity ekipazy nandritra ny taona fa kosa niakatra lapihazo hatrany tamin’ireo andiany fito natao. I Muriel koa dia efa tompondakan’ny mpanamory mpanapy ny taona 2012.
Misongadina ry Mamisoa any la Reunion
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.