Actualités

Tamberin’andraikitra Tsy afa-misaraka amin’ny fahaizana lalŕna


  • Talata 04 Aprily 2017

Tsy tonga saina mihitsy amin’ny maha tompon’ny fahefana feno azy ny Malagasy.

 

 Manararaotra ny tranga misy rahateo ireo mpitondra fanjakana voasokajy ho raiamandrenin’ny firenena nampindramina fahefana ka manao izay danin’ny kibony, hoy ny mpahay lalàna Rabenarivo Sahondra nandritra ny fifanakalozan-kevitra niompana tamin’ny lohahevitra «tany tan-dalàna sy zon’olombelona : tamberina sy fandraisan’andraikitr’ireo mpisehatra» nokarakarain’ny FES (Friedrich-Ebert Stiftung) teny Soarano ny faran’ny herinandro teo. Tsy mahagaga raha mialangalana sy miraviravy tanana ny olom-pirenena manoloana ity fihetsika tsy firaharahana ny mpiara-belona hasehon’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ity. Azo avadika ho fitaovana hanomezana lesona ireo olom-panjakana mpandika lalàna tsy mihevitra ny tombontsoan’ny maro an’isa anefa io fahasosoram-bahoaka io amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato fanasaziana. Vahaolana iray hafa ihany koa ny fampitoviana lenta ny fahaizana ny lalàna eo amin’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka ahafahana mitaky ny tamberin’andraikitra hisorohana ny fakam-panahy avy amin’ireo mpahay lalàna hanambaka ny mpiray tanindrazana aminy, hoy ity mpikambana ao amin’ny SEFAFI (Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena) ity.

Nangonin-dRamano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT