Mpangarom-paosy 10 mianadahy no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy. Teo amin’ny faritra manodidina ny tsena Mahamasina sy ny toby fiantsonan’ny taksibe eo Anosy no nahatrarana azy ireo.
. Samy tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny avokoa izy ireo ka tsy nisy afa-nihetsika. Nisy tamin’izy ireo moa no vao nanomboka ny asa ratsiny dia efa tazan’ny mpitandro ny filaminana ka tsy nananosarotra ny nijoko azy. 15 taona no zandriny indrindra tamin’izy ireo raha vehivavy kosa no zokiny indrindra izay efa 38 taona no sady renim-pianakaviana. Natolotra ny fampanoavana ny faran’ny herinandro teo izy ireo ary efa samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.