Fotodrafitrasa lehibe iray mitentina 30 tapitrisa ariary no tsangambato faha-20 taona ny tambajotra OTIV Alaotra Mangoro. Manodidina 60.000 ankehitriny ny isan’ny mpikambana ao ka ny sehatry ny fampisamborana momba ny famokarana no tolotra betsaka mampiasa
Nahatratra 5 miliara ariary ny vola niparitaka tany amin’ny tantsaha nanaovana ny sompitra iombonana tamin’ny taom-pamokarana lasa teo iny. Nanomboka ny taona 2013 dia manodidina ny 8,5 miliara ariary ny vola nomena ny tantsaha hanatsarana ny tontolon’ny famokaram-bary. Nitondra vokatsoa ho an’ny mpikambana ny fampiharana ny fanitsiana ara-drafitra teo amin’ny fitantanana ny tambajotra otiv. Manaja ny bokin’andraikitra nifanaovany amin’ny fanjakana izy ireo ka anisan’izany ny fandraisana anjara amin’ny lafiny sosialy fa tsy mihanona fotsiny amin’ny ara-toekarena. Nisedra krizy ny tambajotra otiv ny taona 2012 saingy noho ny fifampitokisana teo amin’ny mpitantana sy ny vahoaka mpanjifa dia tafarina ny orinasa ankehitriny, hoy ny tale Andrianjafy Jocelyn. Nandritra ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroany ny sabotsy teo dia nisy ny fanolorana maripankasitrahana ireo mpiasa nahavita be tao amin’ny tambajotra otiv Alaotra Mangoro. Nanome voninahitra io lanonam-pankalazana faha-20 taon’ny otiv Alaotra Mangoro io ny solombavambahoaka Andriamasimanana Aureline sy ny minisitry ny indostria dokotera Jules Etienne izay samy nitsodrano azy ireo hahaleo halasa amin’ny 20 taona ho avy indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.