Actualités

Talen`ny Tranompirintim-pirenena Nesorina fa sahy niteny ny marina ?


  • Zoma 13 Septambra 2019

Nivoaka nandritry ny filankevitry ny minisitra ny 11 septambra lasa teo fa voatendry ho Talen’ny Tranompiritim-pirenena Rajaofetra Andry Nirina araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

 

 

Nesorina tamin`ny toerany kosa i Jean Angelson Randriamboavonjy. Ao anatin`ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna tanteraka isika eto Madagasikara. Manana anjara lehibe amin`izany ny tranomprintim-pirenena, indrindra amin`ny fanotana ireo biletà tokana. Ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto, nandritra ny fifanaovan-tsonia tamin`ny CENI ny volana aogositra lasa teo dia nanambara fa “tsara ho fantatry ny rehetra fa horaisin’ny fanjakana sy ny Tranompiritim-pirenena an-tanana ny fanontana ireo biletà tokana rehetra hampiasaina amin’ny fifidianana”. Mipetraka ihany ny ahiahy. Fa inona no tena olana ? Fa maninona no ao anaty fanomanana fifidianana no nesorina I Jean Angelson Randriamboavonjy ? Raha tsiahivina, ity tale teo aloha ity no sahy nanambara ny toe-javatra misy eo amin`ireo kara-panondrom-pirenena sy kara-pifidianana hosoka izay niparitaka manerana an`i Madagasikara nandritra ny fifidianana  filoham-pirenena. Raha nitafa tamin`ny mpanao gazety izy ny 16 desambra 2018 dia nilaza izy fa “gaga ny teo anivon`ny “Imprimerie nationale” fa vao vita ny fihodinana voalohany nahita ireo CIN hosoka izay tsy nivoaka avy aty amin`ny orinasa ka nametraka mazava tsara fa ny hosoka mandeha any dia tsy avy aty amin`ny imprimerie ka aoka mba samy ho mailo ny tsirairay”. Nametra-panotaniana ihany koa hoy izy amin`ireo mpifidy tsy nahazo kara-pifidianana satria 12 tapitrisa no natontan`ity orinasam-panjakana ity kanefa 10 tapitrisa latsaka no nifidy tamin`izany. Mety matahotra ampamoaka ve ny Fitondrana ? Amin`ny alahady izao moa no fisarihana ireo nomeraon`ireo kandidà ben`ny tanàna amin`ny biletà tokana saingy velona ny ahiahy amin`ny hisian`ny hosoka indray. Tsy ahiana ve ny momba ny fikarakarana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly hotanterahina ny 27 novambra ho avy izao ?

 

Marigny A. sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT