Tapitra ny alahady 23 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy. Andrasana kosa ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho solony taorian’ny sivana nataon’ny CSI (Comité pour le Sauvegarde de l’Intégrité) izay naharay antontan-taratasina kandida miisa 64 nanaovana sivana ka nahazoana anarana 10, ary 3 no voatazona farany hisafidianan’ny filoha.
Raha ny loharanom-baovao, dia ny minisitry ny fitsarana teo aloha izay vehivavy, Jeneraly miisa roa avy amin’ny zandarimariam-pirenena ireo olona telo hisafidianan’ny filoha ireo. Andrasana izany ny fanendrena na ho anio na ho aorian’ny lanonam-pankalazana ny fetim-pirenena. Hatraiza ny finiavan’ny filoham-pirenena sy ny fanjakana hiady amin’ny kolikoly ? Tena ho sahy hikitika ny olon’ny fitondrana na akaiky ny filoha izay voasaringotra amina raharaha kolikoly ve izay Tale jeneraly hotendreny eo ? Ampahatsiahivina hatrany fa tao anatin’ny fanjakana tetezamita no nanjakan’ny kolikoly sy ny gaboraraka na koa ny fanondranana harem-pirenena toy ny boaderozy be indrindra teto Madagasikara satria faha-84 amin’ny firenena 180 isika tamin’ny 2008, ary faha-127 taty amin’ny fiafaran’ny tetezamita, izany hoe very toerana 43 ny 2009-2014. Faha-152 amin’izao fotoana, izany hoe very toerana 68 niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana 2009.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.