Nomarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa Kraoma S.A, Nirina Rakotomanantsoa, tetsy Ampefiloha omaly fa ny karaman’ny mpiasa no olan’ny orinasa ankehitriny. Rariny, hoy izy, ny fitakian’ny mpiasa tao Brieville, momba izany.
Mafy izany tsy mandray karama 2 volana izany. Hatreo dia tranga mahazatra izany, hoy hatrany ny tenany. Manomboka hafahafa kosa rehefa mivaona amin’izay fitakiana izay. Isan’izany, ohatra, ny fanontaniana hoe naninona no nisy ny fatiantoka hatramin’izay. Ny tena loza indrindra dia tsy asiana resaka mihitsy ny nahatonga ny Kraomita Malagasy ho toy izao. Tsy misy izay tsy mahalala anefa na ny any ivelany aza fa trosa 101 miliara ariary no nolovainay teto ary fatiantoka 39 miliara ariary. Novonoina ity orinasa ity, hoy izy, fa tsy misy miteny. Mody avadika endrika ilay tolona sendikaly hoe tsipaipaika hiakarana eto Antananarivo. Tonga teto omaly (TTF: afak’omaly) tsinona izy ireo, hoy izy. Firy anefa moa no tsipaipaika vitan’ny mpivarotra anana? Misy hery ao ambadika ao ary tsy vao omaly fa efa nanomboka tamin’ny febroary no tsy nitsahatra io fitakiana io. Lalaovin’ny mpanao politika ny tolona sendikaly. Lazaina fa tsy te hanala ny tale jeneraly na handoto ny kraoma kanefa miteny zavatra miiba momba ilay orinasa, hoy hatrany izy. Orinasa tsy miankina na “société anonyme” naorina ho orinasam-panjakana, izany hoe, nanjary “société d’Etat” ny orinasa Kraoma. Fantatra fa an’ny fanjakana ny harena ambanin’ny tany ary io harena ambanin’ny tany io no hampiasainay, izany hoe, trandrahana sy varotana. Fampandrosoana an’I Madagasikara izao no himasoana ary ny orinasa toy itony dia apetrakay mihitsy fa firenena kely, hoy ny tenany. Kraoma sy volamena no harena an-kibon’ny tany napetraka ho tantanin’ny kraomita Malagasy. Ao anatin’ireo ihany koa no tsy maintsy hijerena ny vahaolana. Mbola manapa-kevitra ny filan-kevim-pitantanana amin’izao fotoana izao saingy ho tazonina tsiambaratelo aloha izay. Ny hany azo ambara, hoy izy, dia tena misy ny vahaolana ary ho fantatra ato ho ato. Manoloana ny tsy fandraisan-karaman’ireo mpiasa kosa dia nisy ny ezaka nataon’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika nidina tany Brieville nitondra vary 1 kitapo ho an’ny mpiasa tsirairay sy menaka ho fiarovana na “filet de sécurité” ho an’ireo mpiasa aloha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.