Andrasana ny fanendrena ny Tale jeneralin’ny Bianco vaovao, ary efa any am-pelatanan’ny filoha ny anarana 3 hisafidianana ny hotendrena hisolo an’Atoa Jean Louis Andriamifidy izay tapitra ny 23 jona teo ny fe-potoana niasany.
Hotendrena ato ho ato ve ny solony sa mitombina ny feo mandeha fa tsy dia lanin’ny vavonin’ny filoham-pirenena ireo anarana 3 natolotry ny CSI (Comité de Sauvegarde de l’Intégrité) ka mampikatso ny fanendrena ? Ny 2 jona no efa tany am-pelatanan’ny filoha ireo anarana. Raha ny loharanom-baovao efa notaterina teto, re fa jeneraly miisa 2 sy minisitry ny fitsarana iray teo aloha ireo kandida 3 hisafidianana ireo. Andrasana raha hifanaraka amin’izay tokoa ny fanendrena na hitady hevitra hahafahana manendry olona ivelan’ireo ny filoha, izay midika fa fialana amin’ny lamina ara-dalàna raha toa ka izay no miseho. Mihisatra ny fanendrena hatreto, ary ahiana ho toy ny CNaPS izay efa am-bolana maro no nanesorana Tale jeneraly izay tsy mbola voatendry ny solony hatreto. Tena hanana fahefana afaka hanenjika izay rehetra voarohirohy amina kolikoly avokoa ve izay Tale jeneraly hotendrena eo sa sanatria ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana ihany no hopetahiny ? Tsiahivina, ohatra, fa misy minisitra teo aloha nanodinkodina fiara tsy mataho-dalana 9 ao anaty fanjakana ao ary tena akaiky ny filoha, misy mpandraharaha goavana namana akaiky ny filoha manana dosie momba ny fakana volabe an-kolaka tao amin’ny Jirama, ny raharaha boaderozy,… Hivalona ve ny dosie maloto rehetra teo aloha sa hisy ny fitohizan’ny fanenjehana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.