Namoahan’ny fanjakana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na « IST » ny Tale jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) teo aloha Atoa James Andrianalisoa, raha ny vaovao mivoaka amin’izao fotoana.
Ny ACM no mandrindra sy manara-maso ny fifamoivoizana ana habakabaka eto amintsika. Asa aloha na misy hidiran’ny kakay sy ny valifaty politika ny zava-misy fa nalaza tamin’ireny fotoanan’ny fifidianana ireny ny karazana sakantsakana voalaza fa nataon’ity tompon’andraikitry ny ACM ity ny fampidirana sy ny fahafahan’ny angidimbin’ireo kandida filoha sasany tsy afa-nisidina tamin’ny andron’ny fifidianana filoha. Nisy ny ambara fa filam-baniny samihafa, ary vaotonona ho anisan’ny lasibatra ny angidimbin’ny filoha ankehitriny. Tafiditra ao anatin’ny raharaha mahasaringotra ny filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny Air Madagascar teo aloha Atoa Henry Rabary Njaka ihany koa anefa izy raha ny efa nambaran’ny fampahalalam-baovao iray, ka anisan’ireny ny raharaha fividianana fiaramanidina Airbus A340 tamin’ny Air France, izay nambaran’io fampahalalam-baovao io, fa avo efatra heny amboniny amin’ny tokony ho izy no naloan’ny Air Madagascar noho ny resaka afera maloto. Ary mba aiza ho aiza ny raharaha Airbus A340 nampidirin’ny fanjakana Rajoelina tamin’ny taona 2012 izay mbola nitakian’ny Frantsay 101 tapitrisa dolara amin’ny Air Madagascar araka ny valin’ny fitsarana tany Frantsa ny 12 desambra 2018 ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.