Amin`ny herinandro ho avy izao, handalo eo anivon`ny PAC (Poles anti-corruption) na fitsarana misahana ny kolikoly ny raharaha mikasika fanodinkodinam-bolam-panjakana niseho teny anivon`ireo minisitera eny amin`ny PAC.
Raha ny fantatra, maro ireo raharaha voalaza fa mahasaringotra olona ambony teo anivon`ny minisitera toy ny tale jeneraly, sekretera jeneraly, mpiasa tsotra… Nisy hatrany ny famoahana “Interdiction de Sortie de Territoire” (IST). Mivonona ny PAC ary efa nilaza fa andeha amin`ity tapaky ny volana aogositra ity ireo raharaha momba ireo mpandraharaha Malagasy nanodinkodim-bolam-panjakana. Dosie efa vita fanadihadiana teny anivon`ny birao mahaleotena misahana ny ady amin`ny kolikoly (BIANCO) no eny amin`ny PAC izao hiatrika fitsarana. Ny Tale jeneralin` ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donnat, izay miara-miasa akaiky amin`ny PAC dia milaza fa tsy andeferana izay rehetra manodinkodim-bolam-panjakana. Tafiditra ao anatin`ny politikam-panjakana ihany koa izany . Mandray anjara amin`izany ny BIANCO ka tsy tokony hisy tokoa ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Azo heverina fa tsy ho afa-bela izay voakasik’izany. Anisan`ny raharaha mafàna eny anivon`ny PAC ny raharaha Mbola Rajaonah sy ny fitoriana an`ireo solombavambahoaka 79 teo aloha izay nanao kolikoly. Ity farany ity, izay nambaran`ny PAC fa naverina teny amin`ny Bianco noho ny tsy mbola mahafeno ny fepetra hitsarana ireo depiote teo aloha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.