Lehilahy iray manodidina ny 35 taona omaly no nitsoraka tao ambany kamiao sendra nandalo teny Talatamaty PK 10+200, RN 52 ka namoy ny ainy avy hatrany.
Araka ny fanazavan’ny kaomandan’ny borigadin’i Talatamaty dia kamiao avy any Mahajanga ho any Toamasina ity tra-doza ity. Tao amin’ny kodiarana aoriana an-kavanana no nitsoraka ilay lehilahy izay tsy mbola fantatra hatramin’ny fotoana nanoratana ny antony nanosika azy hanao izany. Naterin’ny zandary eny amin’ny hopitaly manara-penitra teny Anosiala ny razana taorian’izay. Nanohy ny fitadiavana ireo havany sy nanatanteraka ny famotorana kosa ireo mpitandro ny filaminana. Marihina fa tsy hitan’ilay mpamily mihitsy ilay lehilahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.