Actualités

Talata Volonondry Mateti-pitranga ny vaky fasana sy halatra omby


  • Talata 18 Novambra 2014

Nitranga matetika tao anatin’ny roa volana izao ny vaky fasana tao amin’ny kaominina Talata Volonondry.

Fokontany telo no lasibatra tamin’izany ka indray mandeha ny tao Ambatomitsangana, in-droa ny tao Mahamanina  ary in-telo tao Ambodifahitra. Nifanojo tamin’io trangan-javatra mampalahelo io ihany koa ny firongatry ny halatra omby tao anatin’ny iray volana mahery izay, hoy ny ben’ny tanàna Rakotondrafaraniaina Martin. Lesoka amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny ny tsy fahampian’ny isan’ireo zandary miandraikitra ireo fokontany 28 mandrafitra ity kaominina midadasika amin’ny velaran-tany 110km², araka ny fanazavan’ny mpitantana ny tanàna. Hetahetan’ny mponina ny hanana borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana fa tsy hionona fotsiny intsony amin’ny tobin-janaparitra na «poste avancé». Fanamby izay ezahan’ny tompon’andraikitry ny kaominina ny hahatonga izany fanirian’ny vahoaka izany ho tena zava-misy iainana tsy ho ela.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT