Mandrahona ny hanatanteraka fitokonana faobe ireo taksibe mampifandray ny renivohitra an'Itaosy, anio alatsinainy 25 aprily.
Tafiditra ao anatin'izany ny zotra 133 mampitohy an'Ambodifilao amin'ny Cité des Assureurs Itaosy, ny zotra 143 manao Ambohidrapeto – Mahamasina - Analakely, ny zotra A mampifandray an'i Tsaralalana sy Itaosy Cité na hopitaly, ny KOFIMI mampitohy an’i Beravina Itaosy amin'ny CNAPS. Antony dia mihoapampana loatra ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo mpitandro ny filaminana tokony handrindra ny fifamoivoizana eny an-dalana. Misy mody miafina ny sasany ary mivoaka tampoka, indrindra fa ny eny amin'iny Faritra Andavamamba iny. « Tsy amelany ianao raha tsy hahazoany (vola) kely» na saziany mihitsy na dia tsy nanao fahadisoana aza. « Tsy zakanay intsony izany, antony hirosoanay amin'ny fitokonana », hoy hatrany ireo mpamily. Na izany aza tsy dia voafaritra loatra ny toerana hanaovan'izy ireo hetsika fa ny hany fantatra dia misy ny hijanona tsy hiasa mihitsy raha misy koa ireo hiasa ihany saingy amin'ny ora voafetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.