Actualités

Taksibe tapaka hisatra teny Itaosy Zazavavy 2 voafaoka, maty ny iray


  • Alarobia 30 Desambra 2015

Taksibe iray ao anatin’ny koperativa Kofitama mampitohy an’Itaosy sy Tsaralalana feno mpandeha hiakatra indray omaly no nipotsaka tsindry hisatra tampoka teny

 

Andranonahoatra Itaosy raha iny hidina avy any amin’ny lalana mihazo ny hopitaly Itaosy iny. Namantana avy hatrany tamina mpivarotra enta-madinika iray  nanoloana azy ilay fiara ary saika tsy nijanona. Vokany, ankizivavy kely roa nirahin-dray aman-dreniny handeha hiantsena no potsitra tao ka ny iray tapaka ny tongony ary nosokirina tao ambany fiara kosa ny iray. Voalaza  fa namoy ny ainy ny iray tamin’izy ireo. Nivoaka avy hatrany niala tao anaty fiara moa  ilay mpamily ary  nandeha nihazo ny toerana nisy ny mpitandro ny filaminana ho fiarovany ny ainy. Tsy vitsy mantsy ireo saika nikasi-tanana azy noho ny fahitana ny  ratra nahazo ireo zaza roa tsy manan-tsiny ireo. Tsiahivina fa efa im-betsaka namono olona iny lalana avy any amin’ny hopitaly Itaosy midina eny Andranonahoatra iny. Mipotsaka tsindry hisatra hatrany ny ankamaroan’ireo fiara tra-doza ireo ary mamantana avy hatrany amina toeram-pivarotana manoloana azy  tahaka ity tranga omaly ity. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina no nitranga ny loza.

Pati


https://ssl.gstatic.com/ui/v1/icons/mail/images/cleardot.gif

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT