Actualités

Taksibe tapaka “direction” Nivarina tany an-tanimbary


  • Sabotsy 16 Aprily 2016

Fiara mpitatitra iray mampitohy an’Antsirabe sy Vinaninkarena no nivadika sy nifatratra tany an-tanimbary ny harivan’ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Itony fiara Mercedes 307 ireny, izay efa somary godraka ihany izy ity ka nikasa ny hody any Vianinkarena izao niharam-boina iza

       o. Nivadika tanteraka ilay fiara vao tafajanona teo amin’io tanimbary io. Araka ny fitantaran’ny olona iray, anisan’ny mpandeha tamin’io fiara io dia naheno feon-javatra nipoaka mafy ny tenany, ka tsy voatanan’ny mpampily intsony ny famialiana dia io nifatratra any an-tanimbary io. Raha ny filazan’ity farany hatrany moa dia toa heveriny fa tapaka ny familiana ka tsy nisy azo natao intsony, ny lalana rahateo fidinana lava be. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy hatramin'izao ora nanoratana izao fa saika naratra mafy avokoa ny mpandeha rehetra fa ny mpamily no voatery nosokirana tao anaty fiara vao afaka. Marihana fa  hantsana no misy an’io tanimbary io, miala 8 metatra miala ny arabe eo ho eo.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT