Actualités

Taksibe nandona vehivavy bevohoka Torana, afa-jaza ary tapa-tanana ilay ramatoa


  • Alakamisy 15 Janoary 2015

Asa izay nahazo an’ity taksibe iray nandeha mafy nefa tsy nitondra mpandeha. Tao anatin’ny orana nijojo afak’omaly hariva dia nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nandratrana olona indray tetsy 67 ha Atsimo (sampan-dalana mankany Itaosy), tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any

Ramatoa iray 27 taona, mpivaro-gazety handeha hody izay bevohoka dimy volana niampita no nodomina taksibe iray, ka afa-jaza ary tapa-tanana mihitsy. Raha ny angom-baovao, niampita tampoka ity vehivavy ity ka vaofaok’ilay fiara fitateram-bahoaka nisosososo avy any tsy tafajanona intsony tao anaty fiolanana ary nitrosona teo amin’ny arabe ka voatetin’ny kodiarana ny feny sy ny kibony.

 

Hatezeram-bahoaka, mpamily naratran'ny daroka

 

Vokatry ny dona mafy nahazo azy, torana tsy nahatsiaro tena ilay ramatoa. Mbola nisy aina kely izy ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana, teny an-dalana afa-jaza izy. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia tsy nijanona ilay taksibe nahavanon-doza fa nanohy ny diany. Nenjehin’olona ka tratra tao anaty fitohanana 200 metatra avy eo tsy afa-nihetsika intsony. Noho ny hatezeram-bahoaka naratra vokatry ny daroka ny mpamily ary nahitana fahasimbana ilay fiara voatora-bato.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT