Araka ny angom-baovao natao dia efa nampandre ireo fiara rehetra nitatitra mpianatra avy eny Andranovelona hihazo an’Ambohimanarina ny talen’ny sekoly la Pépite d’or III fa aleo miara-miainga ka mitanjozotra miaraka.
Tsy niandry izany anefa fa efa nandeha mialoha ny Taksibe iray, io ilay nitondra ireo mpianatra niharan-doza. Teny an-dalana dia nomen’ilay saofera ny resevera ny familiana koa dia ity farany izany no nitondra fiara. Tsikaritry ny mpampianatra iray fa nandeha mafy loatra ilay fiara ka efa niteny izy saingy nanao be marenina ilay namily koa dia roso ihany ny dia. Nisy olana ara-teknika avy eo ilay fiara ka voatery nijanona. Tsy nety velona ka ny hevitra hitan’ireo saofera sy resevera ny fanaovana contre-attaque mba hamelona ny fiara. Teo no nitranga ny loza satria rehefa natao ny contre-attaque dia tsy voafehy ny familiana ka nivarina tany an-kady ilay fiara.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.