Actualités

Taksibe miasa eto an-drenivohitra Manodidina ny 1.000 ireo efa voaisa


  • Alatsinainy 14 Novambra 2016

Taorian’ny fanisana sy fitsirahana ireo fiarakaretsaka ara-dalàna eto an-drenivohitra dia miroso amin’ny fanisana ireo taksibe indray ankehitriny ny ivontoerana fitsirihana etsy Antsakaviro tantanan-dRasoloarivelo Pinout

. Raha ny fanazavany dia efa mahatratra 1.000 ankehitriny ireo taksibe nahefa ny adidiny, fe-potoana  izay mbola haharitra herinandro maromaro ka tokony hohararaotin’ireo tsy nahavita. Tsy adinon’izy ireo ny mijery manokana ireo fiarakaretsaka tsy nahavita ny anjarany. Nambaran-dRasoloarivelo Pinout mantsy fa mbola afaka mandray izy ireo na dia mihoatra ny 6.000 aza ireo nanaovana fitsirihana sy nametahana ilay taksi soratra miloko mainty eo amin’ny valahiny. Tanjona ny  hisorohana ny  sazy mety hahazo  ireny fiarakaretsaka ireny izay mety hiafara amin’ny  fampidirana fourriere eny Anosipatrana mihitsy ary tsy maintsy  handoavana lamandy vao afaka mivoaka miasa. Nomarihiny manokana moa fa tsy maintsy tonga eny Antsakaviro ilay fiara mandritra izany hitiliana ny momba azy rehetra manomboka amin’ny lokony ka hatrany amin’ny jiron’ny fiara mba hifanaraka amin’ny maha fiara fitateram-bahoaka na fiarakaretsaka  ara-dalàna azy eto an-drenivohitra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT