Mbola ezaka ny fampanaraham-penitra ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Tsy voahaja ny bokin’andraikitra, ny fotodrafitrasa ara-pitaterana rahateo tsy mamaly ny filàna ny ankamaroany. Ireo manana olana ara-pamindrana na manana fahasembanana no tena lasibatra eny ampiandrasana taksibe. Tsy tafiditra rehefa tsy afaka misisika, itsoahan’ny taksibe ... Heverina fa hamaha ny olana ny fisian’ny tetikasa LAMINA (Lalanjotra Miaty ny Namana) tanterahin’ny ONG Lalana ary vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola. Ny hanajana ny zon’ireny olona manana olana ara-pamindrana na iharan’ny fahasembanana ireny no antom-piasiany. Manan-jo hivezivezy sy hampiasa fitaovam-pitaterana toy ny rehetra izy ireny. Haharitra roa taona eo ny tetikasa, ary natomboka tamin’ny fandresen-dahatra ireo rehetra voakasiky ny asam-pitaterana, toy ny Kaominina, kaoperativa mpitatitra (UCTU, UCTS), Polisy, minisiteran’ny fitaterana. Ny teo anivon’ny minisiteran’ny filaminana anatiny manokana dia mpianatra ho polisy 454 sy mpianatra ho kaomisera 55 no nomena fiofanana. Hiitatra ny fandresen-dahatra sy ny fanentanana, toy ny famerenana ny toerana voatokana amin’ny taksibe, ny fampanaraham-penitra ireo fotodrafitrasa fiandrasana taksibe mba hisy lalana hizoran’ireo manana olana ara-pamindrana na manana fahasembanana, tsy hisian’ny fanilikilihana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.