Actualités

Taksibe eto Antananarivo Lasa misy mpaka ra


  • Alarobia 21 Desambra 2016

Niverina indray ny mpaka ra. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 55 taona no nisy naka ra tany anaty taksibe omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy 45 minitra raha iny nandray fiara tetsy 67 ha iny handeha hamonjy asa any Bel’Air Talatamaty.

Raha ny fanazavany dia taksibe mihazo an’Ambohidratrimo no nandehanany. Teo Ambohibao vao niditra tao anatin’ilay fiara nandehanany ilay lehilahy iray manodidina ny 30 taona tsikariny ho nanao ilay zavatra.  Nomarihiny fa nanao akanjo lava tanana nanafenany ny zavatra nanindronany azy io. Niezaka nisisika mafy teo akaikiny ity lehilahy ity sady nanindry mafy ny ilan-tanany an-kavanana. Tsy afa-nihetsika ilay renim-pianakaviana saingy voakifiny ihany avy eo. Tafavoaka ilay taksibe ihany izy rehefa tonga teo amin’ny toerana tokony ho nialany. Vao tonga tany am-piasana anefa izy  dia fanina. Nahatsiaro nafana ihany koa izy ka nanala akanjo kinanjo ny sandriny efa mangana no hitany niampy diam-panjaitra be. Nambaran’ity renim-pianakaviana ity fa nivandravandra azy io lehilahy naka ra azy io tamin’ny fotoana nialany tao anaty taksibe sady nanamboatra zavatra tamin’ny tanany. Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny mponina ny mpampiasa ity renim-pianakaviana ity mba handray ny andraikiny. Toraka izany koa ny minisiteran’ny fahasalamana sao sanatria lasa bizina ny fakana ra ankehitriny satria efa mahatratra 80.000 Ar ny paosy iray.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT