Actualités

Taksibe eto an-drenivohitra Manodidina ny 1.000 ireo efa voaisa ara-dalŕna


  • Zoma 11 Novambra 2016

Taorian’ny fanisana sy fitsirihana ireo fiarakaretsaka ara-dalŕna eto an-drenivohitra dia miroso amin’ny fanisana ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra indray ankehitriny ny ivontoerana fitsirihana etsy Antsakaviro tantanan-dRasoloarivelo Pinout

 

. Efa mahatratra 1.000 isa ankehitriny ireo taksibe nahefa ny adidiny, fe-potoana izay mbola haharitra herinandro maromaro ka tokony hohararaotin’ireo tsy nahavita. Tsy adinon’izy ireo koa ny mijery manokana ireo fiarakaretsaka tsy nahavita ny anjarany. Nambaran-dRasoloarivelo Pinout  fa mbola  afaka mandray izy ireo na dia efa  mihoatra ny 6.000 isa aza ireo nanaovana fitsirihana sy nametahana ilay soratra  taxi miloko mainty eo amin’ny valahiny. Tanjona ny  hisorohana ny  sazy mety hahazo  ireny fiara karetsaka ireny izay mety hiafara amin’ny  fampidirana “fourriere” eny Anosipatrana mihitsy ary tsy maintsy  handoavana lamandy vao afaka mivoaka miasa, hoy izy. Nomarihiny manokana fa tsy maintsy tonga eny Antsakaviro ilay fiara mandritra izany hitiliana ny momba azy rehetra manomboka amin’ny lokony ka hatrany amin’ny jiron’ny fiara mba hifanaraka amin’ny maha fiara fitateram-bahoaka na fiarakaretsaka  ara-dalàna azy eto an-drenivohitra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT