Actualités

Taksibe 183 Tafaverina amin’ny lalany teo aloha


  • Zoma 09 Oktobra 2015

Tsy nanaiky ny mponina raha tsy tafaverina tamin’ny lalany teo aloha ireo taksibe laharana 183 mampitohy an’Ambatobe amin’Antananarivo Renivohitra. Nitokona teny Ambatobe avokoa mantsy izy ireo omaly maraina noho ny fahasahiranana mianjady aminy sy ny mpandeha.

 

 Ny antony, raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny kaoperativa Andriambinintsolomora Bernardin sady filohan’ny UCTU  dia tsy mety amin’izy ireo intsony ny fandaminana napetraka  tapa-bolana lasa izay dia ny fanaovana ny lalana avy any amin’ny lycée français mihazo an’Analamahitsy ho lalan-tokana fa azon’ny fiara roa nifamezivezena hatrany izany teo aloha. Ankoatra ny fijalian’ny mpitatitra sy ny  mponina lasa mihodina mankany Nanisana mantsy  dia lasa miteraka fitohanana lavareny ho an’ireo taksibe koa izany manomboka hatrany Manjakaray raha hihazo an’Analamahitsy rehefa andro alarobia. Na izany aza dia ora roa teo ihany izy ireo no nitokona taorian’ny namerenana azy tamin’ny lalany toy ny teo aloha. Nahatsiaro nijaly ireo mpiasa namonjy asa maraina sy ny mpianatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT