Actualités

Taksi sy Taksibe eto an-drenivohitra Hentitra ny kaominina amin’ny fanaraha-maso


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Hentitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanaraha-maso ireo fiarakaretsaka sy fiara fitateram-bahoaka miasa eto an-drenivohitra.

 

Saika gaboraraka ireo sehatra ireo tato ho ato ka tsy maintsy averina amin’ny ara-dalàna.  Tamin’ity volana febroary ity izany no efa natomboka tamin’ny alalan’ny fanaovana “contre visite” na ny fanaraha-maso iray manontolo ny momba ny fiara, tsy hifarana raha tsy ny volana martsa ho avy izao. Ho an’ny fiarakaretsaka manokana dia manomboka any amin’ny lokon’ny fiara izany izay efa misy mivaona mihitsy ny sasany, hatramin’ny lanterne ampiasainy. Rehefa tsy nahazo alalana mbola hiasa any amin’ny fanaovana contre visite ny fiara iray, hoy hatrany ny vaovao dia tsy hahazo lanterne ara-dalàna ihany koa, izay tsiahivina fa efa nisy nivarotra teny amoron-dalana teo aloha teo. Ho an’ireo mpamily fiarakaretsaka manokana dia mety amin’izy ireo ity asa fanadiovana sy fampanarahan-dalàna ataon’ny kaominina. Angatahin’izy ireo kosa ny hijerena akaiky ireo tsy manara-dalàna izay tsy mitsahatra mitombo isa hatrany nefa mamono ny asa fiveloman’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT