Actualités

Tako-masoandro Nahamenatra ny fihetsiketsehana


  • Zoma 02 Septambra 2016

Am-polony no namaritan’ny vaovao navoakan’ny RFI ( Radio France Internationale), omaly maraina tamin’ny alalan’ny fandaharan’izy ireo hoe « Afrique matin », mikasika ny fizarana solomaso ho an’ireo sahirana teny amin’ny faritra iva, ny alarobia teo.

Raha ny tati-baovaony dia toy ny te hilaza izy fa ny fihetsiketsehana no nataon’ny teo anivon’ny minisitera ho be dia be fa rehefa azon’ny mpanao gazety fotsiny ny sarin’ireo tompon’andraikitra nanolotra solomaso vitsivitsy, am-polony, ho an’ireo sahirana dia lasa izy ireo. Nahamenatra ny nitantaran’ity onjam-peo ity fa nahatafintohina ny olona teny Ambalasahirana ny nahita ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana nitondra nody ireo ambin-tsolomaso maro. Tsy nazava tamin’izy ireo ny tsy nizarana azy intsony nefa mbola maro ireo sahirana tsy nahazo. Io omaly maraina io tokoa dia nahitana karazan’olona vitsivitsy teny amin’ny tsenan’Alakamisy Mahamasina nivarotra solomaso maromaro izay tsy fanta-piaviana ary tsy fantatra ihany koa na azo ampiasaina na tsia.

Faralahimatoa


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT