Nahatratra 50 ireo namoy ny ainy, 183 naratra, 20 tsy hita popoka, 176.084 ny traboina, 110 693 nafindra toerana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza “Enawo”, raha ny tatitra farany navoakan’ny Birao nasionaly miandraikitra ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) farany.
Nahatratra 50 ireo namoy ny ainy, 183 naratra, 20 tsy hita popoka, 176.084 ny traboina, 110 693 nafindra toerana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza “Enawo”, raha ny tatitra farany navoakan’ny Birao nasionaly miandraikitra ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) farany. Mety mihoatra noho io aza satria maro ireo toerana any ambanivolo any no tsy mba hahazoam-baovao noho ny halavirany. Nampitondra faisana ny ampahany betsaka tamin’ny vahoaka Malagasy iny rivodoza iny satria saika ny 80% tamin’ny velaran’i Madagasikara no nolalovany. Miady mafy sy miady irery ny ankamaroan’ny Malagasy manoloana ny takaitra navelan’i Enawo. Sady tsy ampy serasera ny mpitondra no tsy ampy fandraisana andraikitra ary tsy mahay mifandamina sy mifandrindra ka mpikambana miisa 3 ao anaty governemanta no miara-mirona amina toerana iray. Atao makotrokotroka ny fampitana ny fanomezana fanampiana, indrindra fa amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ka matetika dia tsy maintsy arahina kabary politika miendrika propagandy. Toy ny mahazatra, tsy mbola nisy ny fanambaran’ny mpitondra fanjakana eto amin’ny firenena ny hanao fisaonam-pirenena ho fiaraha-miory sy ny fiombonam-po amin’ireo mpiray tanindrazana namoy havana aman-tsakaiza. Tsy misy vola be ilaina ny hanaovana fisaonam-pirenena saingy tsy mbola nisy fanambarana hanatanterahana azy. Fahendrena ny fahaizan’ny mpitondra mampiombona ny vahoaka hiombom-po amin’izao fahoriana izao. Toa efa kolontsain’ny mpitondra ankehitriny mihitsy angamba ity fady misaona ity ? Tsy mahagaga raha tsy mahay miara-miory sy mizaka ny mafy amin’ny Malagasy izy ireo fa sarimihetsika no betsaka. Mbola hofitahana ihany ve ny Malagasy atsy ho atsy, ka ho babon’ny langolango sy ny fitapitaky ny HVM indray ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.