Actualités

Takaitran'i Enawo Voa mafy Antananarivo


  • Zoma 10 Martsa 2017

Ny rivodoza « Enawo » no lasa fa ny takaitra navelany sy ny fiantraikany mbola mitohy ho an’ny mponin’Antananarivo manokana, indrindra eny amin’ny faritra iva manamorona ny reniranon’Ikopa sy Sisaony ary Imamba.

 Tsy mbola afa-doza ny eto an-drenivohitra noho ny ranobe. Efa nanan-kery nanomboka omaly ny fanairana miloko mena ho an’ny faritra maro toy ny eny Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe, Masindray, Ambohimanambola, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andrefana, Bemasoandro, Ankadimanga, Ambohitrimanjaka, Ampangabe, Antananarivo, Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Ambohibao Antehiroka, Talatamaty, Iarinarivo. Teny amin’ny faritra Ambohimanambola omaly dia efa difotra tanteraka ireo trano nanamorona ny reniranon’Ikopa, ary efa nisy ny fanentanana ireo mponina manamorona ny renirano ho an’ny faritra Tanjombato mba hisintaka hiala ny toerana satria ahiana mbola hiakatra hatrany ny tosiky ny rano. Tsy afa-doza, araka izany, ny eto an-drenivohitra, ka mila mailo sy mitandrina hatrany.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT