Raha ny tatitra farany navoakan’ny BNGRC dia hita fa tsy mitsaha-mitombo ny fahavoazana navelan’ilay rivodoza Chedza. Ny tarehimarika farany nomen’izy ireo dia milaza fa 74 ireo olona maty manerana an’i Madagasikara ka ny 25 tamin’io dia tany amin’ny faritra Vatovavy Fito Vinany.
Nisy ihany koa ny naratra izay mahatratra 37. Ankoatra ireo dia voamarina fa miisa 9 ny olona tsy hita popoka. Nisy ihany koa ny Trano rava izay miisa 4 244 sy tratry ny tondra-drano izay mitotaly 3 442. Mahakasika ireo traboina indray dia 161.858 no isan’izy ireo ary olona 55.560 no voatery tsy maintsy nafindra toerana ka Analamanga sy Vatovavy Fito Vinany no tena voa mafy tokoa ny mponina. Io no tarehimarika farany eran’i Madagasikara nomen’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.