Sesilany ny fanambarana ataon’ireo firenen-dehibe, izay maneho hatrany ny fiombonam-po amin’ny Malagasy manoloana ny loza voajanahary izay namoizana ain’olona maro.
Nanamafy ny azy ny Amerikanina omaly, ka maneho ny fiaraha-miory tanteraka amin'ireo fianakaviana izay namoy ny havany vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Enawo, tamin’ny alalan’ny masoivohony eto Madagasikara. Nanamafy ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny governemanta Malagasy sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy amin'ny fandrefesana ireo fahasimbana sy takaitra navelan'i Enawo ity firenen-dehibe ity. Tsiahivina fa efa nisy fanolorana fanampiana ara-tsakafo milanja 100 taonina toy ny vary, voamaina, menaka ho an'ireo traboina manodidina ny 20.000 eto Antananarivo Renivohitra nataon’ny fandaharan'asa iraisam-pirenena momba ny sakafo na ny PAM ny faran'ny herinandro teo. Niara-niombon'antoka betsaka tamin'izany ny Amerikanina tamin'ny alalan'ny USAID. Nanao fanambarana ihany koa ny "Quai d'Orsay" na ny ministeran'ny raharaham-bahiny Frantsay omaly, ka maneho fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy sy ireo traboina ana hetsiny tamin'ny rivodoza "Enawo" . Mafy ny fahavoazana tany avaratry ny Nosy izay namotika zavatra maro. Maneho firahalahiana amin'ireo niharam-boina rehetra ny Frantsay ary milaza ho vonona amin'ny fanampiana ara-materialy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.