Ho avy hanao fitsidihana arahin’asa eto Madagasikara ny Tale misahana an’i Afrika eo anivon’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena Antoinette Monsio Sayeh, ny 16 ka hatramin’ny 19 martsa ho avy io
. Hijery sy hanadihady ireo sehatra iarahan’i Madagasikara sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena miasa ny tenany, ary koa ny mety hanatsarana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Hisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety hataony ny 18 martsa 2016, mialoha ny hialany eto Madagasikara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.