Actualités

Tahan’ny famoronana orinasa 0,05 isaky ny mponina 1.000 ny eto Madagasikara


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Mbola lavitra ny lalana ho an’i Madagasikara raha amin’ny famoronana orinasa. Raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena dia 0,05 isaky ny Malagasy 1.000 ny tahan’ny famoronana orinasa eto Madagasikara.

Mbola any aoriana lavitr’i Sierra Léone, Irak ary Soudan isika amin’io sehatra io, nefa firenena rotiky ny ady an-trano ireo. Ny olona mihitsy no tsy marisika, eo koa ny tahotra. Mbola namela tandindona ratsy rahateo ny tranga tamin’ny 2009, nisian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Betsaka ny orinasa Malagasy potika tamin’iny raharaha iny, no tsy mbola tafarina. Ny manam-piniavana hanokatra orinasa indray anefa iharan’ny antsojay, toy ny mahazo ny orinasa TIKO izay asa mivantana an’arivony no very ary fianakaviana an’aliny no misedra fahasahiranana tamin’ny 2009, hany ka misalasala hampiasa vola hananganana orinasa, hamorona asa ny mpandraharaha.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT