Actualités

Tahala Rarihasina Analakely Ambohi-pihaonan’ny mpanao asa tanana


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Ambohi-pihaonan’ireo mpanao asa tanana eto an-drenivohitra ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely nanomboka omaly.

 

Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny asa tanana entina hankalazana ny fetin’ny mpifankatia izay homarihina ny 14 febroary ho avy izao. Ekena, hoy Rabetokotany Eugene, sekretera jeneraly eo anivon’ny minisitera  fa tsy kolontsaintsika Malagasy ny mankalaza ny fetin’ny mpifankatia fa mendrika hotohanana kosa izany hahafahana manome lanja  ireo mpanao asa tanana Malagasy izay efa sedraina sahady mialohan’ny hiatrehana ny fihaonambe an-tampony ho an’ny tany miteny Frantsay izay hotanterahina eto amintsika afaka volana vitsivitsy. Ny mpanao asa tanana manerana an’i Madagasikara no nambarany fa hantsoina handray anjara hahafahany mivarotra ny entany sy mitady lalam-barotra ihany koa. Hisy ny fitaterana manokana azy ireo sy ny famondronana azy amina toerana iray hahafahan’ireo teratany vahiny mankafy  ny asa vita Malagasy. Efa mandeha amin’izao ny fanofanana azy ireo mba hisian’ny fahombiazana tanteraka, hoy ny tale jeneralin’ny Cenam Andriambalo Jetal.  Tsiahivina moa fa miisa 30 ireo mpanao asa tanana mandray anjara amin’izany ho an’ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, hetsika haharitra telo andro.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT