0,04% amin’ny velaran-tanin’izao tontolo izao, hoy ny filohan’ny Tambajotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary eto Madagasikara
na ny TAFO MIHAAVO Nasionaly no velaran-tanin’ity nosintsika ity. Kely dia kely izany kanefa dia eto avokoa no misy ny 7%-n’ny harena voajanahary eto ambonin’ny tany. Raha ny lojika dia isika no tokony hamatsy vola ireo firenen-kafa saingy mahantra ambonin’ny harena isika satria tsy haintsika akory na dia ny mitrandraka ny harem-pirenentsika aza. Lasa ireo vahiny indray no manjakazaka eto, indrindra, eo amin’ny lafiny fitrandrahana ireo harem-pirenena misy eto. Tsy ny ao Soamahamanina ihany no misy ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo fa efa saika manerana ny nosy. Izany rehetra izany no tsy maintsy handraisanay an-tanana io lafiny fitantanana ny harena voajanahary eto amintsika io ary miantso ny fitondram-panjakana izahay hanampy anay sao tara loatra, hoy hatrany izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.