Actualités

Tabera Randriamanantsoa Marary mafy


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Marary mafy i Tabera Randriamanantsoa amin’izao fotoana izao, raha ny fampahafantarana sy ny antso avo ataon’ny fianakaviany.

 Aretin’ny fo fantatra amin’ny hoe “infarctus du myocarde” no voalaza fa mahazo azy, raha ny fanazavana vonjimaika. Naiditra hopitaly eny amin’ny Hopitaly Miaramila na ny HOMI eny Soavinandriana izy, ary tsy maintsy hafindra haingana atsy amin’ny Nosy Maorisy, hanaraka fitsaboana raha ny toromariky ny mpitsabo. Mila volabe anefa ny fanatanterahana izany satria hatrany amin’ny 25000Euros no ilaina, raha ny fanazavan’ny fianakaviany hatrany. Manao antso avo amin’ny tsara sitrapo mba hisian’ny fanohanana ara-bola hitsaboana azy noho izany ny fianakaviany. RIB BMOI 00008 03109520101 31 amin’ny anaran-dRandriamanantsoa Elisa no hahafahana manao izany. Ny tontolon’ny politika moa no ahafantarana azy satria anisan’ireo mpitarika ny CRN niaraka tamin’ny filoha teo aloha efa nodimandry Pr Zafy Albert izy. Efa minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy. Ankoatra ny maha Filohan’ny antoko Kintana azy amin’izao fotoana izao, dia ao anatin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM, tarihin’i Marc Ravalomanana. Ara-politika dia mahery fiteny i Tabera Randriamanantsoa, ary vao ny 27 janoary lasa teo nandritra fihaonana nataon’ny RMDM tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny tenany no nanambara fa hamoaka dosie goavana mombana trafikana harem-pirenena. Nambarany tamin’izany fa misy olona ambony eto amin’ny firenena sy mpandraharaha matanjaka notorian’ny Pr Zafy Albert, ka ny dosie goavana momba izany no havoakany. Taorian’izay, dia nampiaka-peo tamin’ny raharaha fahafatesana tovolahy roa tao Toamasina voatifitry ny zandary ny tenany noho izy ireo avy any amin’ny “Grand-Sud”, ka nisy ny famitranam-pihavanana satria nanome omby telo ny fanjakana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT