Mankasitraka ny fanohizana ny fampihaonan’ny FFKM ireo filoham-panajakana 5 mianaka sy ireo ny mpikambana ao amin’ny komitim-pirenena momba ny fampihavanana izahay, hoy Randriamanantsoa
Tabera avy amin’ny CRN, araka ny fanambarany nomeny ny Tia Tanindrazana. Sahinay ny mirehareha fa tena miroso mankany amin’ny lalana efa nosoritanay am-polony taona lasa ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny dia ny firosoana mankany amin’ny fampihavanam-pirenena. Fandaminana hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena mantsy izao atao izao, hoy izy, fa tsy mbola tena fampihavanam-pirenena. Ny fivoahan’ny komitim-pirenena ho an’ny fampihavanana izay hanatanteraka io fampihavanam-pirenena io no andrasana amin’ny dinika vao tena hisy izany fampihavanam-pirenena izany izay lalan-tokana hampiova ny fiainam-pirenena ho amin’ny tsaratsara kokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.