Nivoaka tamin’ny fahanginany indray omaly ireo mpikambana eo anivon’ny biraon’ny sendikan’ny tantsambo eto Madagasikara na ny SYGMMA, notarihin’ny sekretera jeneraliny lefitra Andriamatoa Basola Nomenjanahary.
Nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly fa tsy hita intsony hatramin’ny fotoana nanokafan’izy ireo ny fanadihadiana na ny « audit » momba ny fandeham-bola teo anivon’ity sendika ity ny sekretera jeneralin’izy ireo. Betsaka anefa ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fikarakarana io audit io, hoy hatrany izy, no tokony hifampizarana. Voatery nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana izy ireo araka izany, raharaha hiverina hotsaraina ny zoma ho avy izao indray. Mikasika ny fampiatoana io sekretera jeneralin’izy ireo io tamin’ny asany nanomboka ny 28 jolay lasa teo dia nambaran’Andriamatoa Basola Nomenjanahary fa tsy nifanaraka velively tamin’ny fomba fiasan’ny sendika ny fomba fiasan’io sekretera jeneralin’izy ireo io. Noho izany, tsy ara-dalàna ilay fivoriambe notanterahina vao haingana nanambarana fa mbola izy ihany no voafidy lany ho sekretera jeneralin’ny Sygmma. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.