Actualités

SUCOMA Morondava Mbola nitohy ny sakoroka, may ny orinasa


  • Zoma 12 Desambra 2014

Fantatra izao fa dia mbola nitohy omaly ny sakoroka sy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpiasa tao amin’ny orinasa SUCOMA Morondava

Na dia efa navoaka sy nalefa nody tany an-tranony aza ireo solontenan’ny mpiasa izay nosamborin’ny zandary dia tsy nanaiky ireo  mpiasa fa niroso tamin’ny hetsika hatrany. Vokany, may ary kila tanteraka ny orinasa.  Fantatra ihany koa fa dia voaroba ny entana rehetra tao anatiny toy ny siramamy milanja 600 taonina, ny fanaka samihafa ary kojakoja nampiasaina nentina nampihodina ny orinasa. Manoloana izany dia niantso fitoniana ny lehiben’ny faritra Menabe saingy tsy nisy vokany izany. Raha ny angom-baovao ihany koa dia tsy voafehin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana intsony ny toe-draharaha satria mbola nisy ny fikasan’ireo fokonolona handroba ny Cité nisy ireo sinoa. Araka izany dia nisy ny fandefasana mpitandro ny filaminana fanampiny avy aty Antananarivo hanampy ireo efa any an-toerana. Raha ny fantatra dia hisy ny fidinana ifotony ataon’ny Praiminisitra any an-toerana  hijery ny zava misy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT