Ny eo tsy tafarina, ny fahavoazana miitatra hatrany. Nitrangana fahamaizana indray tao amin’ny orinasa mpamokatra siramamy SUCOMA Analaiva-Mondava omaly, alakamisy 13 oktobra 2016.
Afo avy any ivelany no niitatra ka nahazo ny orinasa, ka nahapotika ny ampahany tamin’ny fitaovana tao. Ny ADEMA no hany manana kamiao mpamono afo ao Morondava, saingy tsy afa-nihetsika tao amin’ny seranam-piaramanidina io omaly noho ny fisian’ny sidina tamin’ny dimy ora hariva. Ny Fokonolona sy ireo miaramila miambina ny orinasa no nifarimbona namono ny afo, tamin’ny ranon’i Dabara. May nandritra ny grevin’ny mpiasa izay nivadika rotaka tao Morondava tamin’ny desambra 2014 ny ampahany tao amin’ity orinasa ity. Tsy mbola tafarina akory izany dia izao may izao indray. Ny halatra vy sy fitaovana ary kojakoja fanolo etsy andaniny tsy voafehy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.